– Ady amin’ny tsy fandriampahalemana.
– Nihevi-tena ho tsy tratrin’ny aloka kanjo tratrin’ny alok’akoho nangalariny ireto jiolahy ireto rehefa nifanena tamin’ny Polisy manao fisafoana alina.
– Ny marainan’ny Alahady 15 Martsa 2026 tamin’ny 03 ora, tao anatin’ny “Operation Mahomby » ataon’ny Polisimpirenena ao Betafo no nahatratrarana ny mpamaky trano iray. Tratra ambodiomby niaraka tamina akoho maromaro vao avy nangalariny izy ary niaiky ny heloka vitany.
- Fantatra tamin’ny famotorana fa izy sy ny namany roa lahy hafa no vao avy namaky trano fiompiana akoho iray. Mody mitarika posy moa izy ireo ny atoandro no sady mitsikilo; mamaky trano kosa amin’ny alina.
– Ankoatra ny akoho, dia nahatratrarana entana halatra hafa ihany koa tany amin’izy ireo toy ny bisikileta sy fanamafisam-peo. Niaiky ireto olon-dratsy ireto fa izy ireo no tomponantoka tamin’ny vaky trano nisesy tao Betafo tao anatin’ny roa herinandro farany. Nanokafana fanadihadiana izy telo lahy ireto ary atao andri-maso mialohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny Fampanoavana.
