– Ady amin’ny kolikoly.
-Ao anatin’ny fanatanterahana ireo laharam-pahamehana sy paikady ara-politika entina hiadiana amin’ny kolikoly eo anivon’ny Polisimpirenena dia notanterahina ny atrik’asa iray natokana ho amin’ny famantarana sy famakafakana ireo olana mety hiteraka kolikoly, ary koa ny fitadiavana vahaolana hisorohana izany. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fanomanana ny fametrahana ireo rafitra miady amin’ny kolikoly na Dispositifs Anti-Corruption (DAC).
-Ity atrik’asa ity dia vokatry ny fiaraha-miasa akaiky teo amin’ny Birao Nasionaly Miady amin’ny Kolikoly (BIANCO) sy ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
-Naharitra roa andro izany, ny 17 sy 18 martsa 2026, ary notanterahina tao amin’ny efitrano malalaky ny Fitaleavana misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana Mitohy (DRFC) Antanimora, niarahana tamin’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Polisimpirenena.
-Nandray anjara tamin’izao atrik’asa izao ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
-Ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor, Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, no nitarika ny lanonana famaranana. Notsindriany tamin’ny lahateniny fa zava-dehibe ny fanamafisana hatrany ny ady amin’ny kolikoly mba hampanjakàna ny mangarahara sy ny fahitsiana eo amin’ny asan’ny Polisimpirenena. Nambarany ihany koa fa ezahina amin’ny fomba rehetra ny fanatanterahana ny vina napetraka, dia ny hananana Polisy miova sy mihavao, mahomby ary lavitry ny kolikoly.
– Nanome voninahitra ny lanonana fanokafana ity atrikasa ity moa Andriamatoa RAZARASOA Timoty, Tale Jeneraly mpisolo toerana ao amin’ny BIANCO ary ny Contrôleur Général de Police MARINJAHA Vavitafika Vololonandro, Coordonnateur, Cheffe de l’Inspection Générale de la Police Nationale.
-Nisy ihany koa lahadinika sy fifanakalozan-kevitra notarihin’ny mpampiofana, Ramatoa RAHARINORO Soloherilala, « Conseiller principal à la Coordination de la Prévention » ao amin’ny BIANCO, nandritra ny andro faharoa. Nifantoka tamin’ny famantarana ireo antony fototra mahatonga ny kolikoly sy ireo olona eny ifotony mety ho voakasik’izany ny dinika.
– Tanjona ny hahitàna vahaolana mazava sy azo ampiharina, ary ny hampiharana hatrany ny fitsipika “Tolérance zéro” ho fanamafisana ny mangarahara eo amin’ny asan’ny Polisy.
-Marihina fa mbola hitohy ho an’ireo lehiben’ny sampandraharaha samihafa eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ity atrik’asa ity.

ATRIK’ASA MAHAKASIKA NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY EO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA

Vous pourrez aussi aimer