-Notanterahina ny alin’ny 02 martsa 2026, ny hetsika “Opération Lumière” nokarakarain’ny Polisimpirenena ao amin’ny Kaomisaria Sainte-Marie.
-Ity hetsika ity dia natao taorian’ireo lozam-pifamoivoizana matetika vokatry ny tsy fisian’ny jiron’ireo moto sasany mivezivezy amin’ny alina.
Vokatr’izany, moto miisa 25 no notazomina tsy afaka nivezivezy nohon’ny tsy fanarahan-dalàna, ary mpitondra moto miisa 200 mahery no nisitraka fanentanana na ihany nahazo fapitandremana momba ny fanarahan-dalàna mba hisorohana ny loza.
-Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena amin’ny fanamafisana ny filaminana sy ny fiarovana ny mpampiasa lalana.
SAINTE-MARIE : MOTO MIISA 25 TSY MANARA-DALANA NOTAZONIN’NY POLISY NANDRITRA NY “OPÉRATION LUMIÈRE”
