✅ Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka
👮‍♂️ Mifototra amin’ny fanampiana mivantana ny vahoaka, fanohanana ireo olona tojo fahasahiranana amin’ny lafiny rehetra ; ary koa amin’ny fiarovana ireo olona marefo sy indrindra ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy, ireo no anisan’ny antom-pisian’ny BFP ao Morondava.
📣 Araka izany, napetraka tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny faritra Menabe ity sampandraharahan’ny Polisimpirenena manampy ny vahoaka ity, izay notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, Contrôleur Général de Police Randriambelo Mandimbin’Ny Aina , ny 14 Mey 2025, tao Morondava, renivohitry ny faritra Menabe.
🚨 Niatrika fampiofanana avy hatrany ireo Polisy vehivavy mandrafitra ny BFP Menabe, ary hirotsaka an-tsehatra amin’ny asa aorian’izao. Tonga nanotrona ity lanonana fanokafana sady fiofanana ity ireo tompon’andraikitra isan’amabaratonga sivily sy miaramila, ao Morondava.

FAMETRAHANA NY « BRIGADE FÉMININE DE PROXIMITÉ » (BFP) AO MORONDAVA, FARITRA MENABE : NOSOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY ARY NISITRAKA FAMPIOFANANA AVY HATRANY IREO POLISY VAVY MANDRAFITRA IZANY.

Vous pourrez aussi aimer