Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
✅Ny 11 jolay 2025 maraina, vehivavy iray 24 taona no teraka zazalahy teo anoloan’ny Kaomisaria Analamahintsy. An-dalana andeha hiteraka ho any amin’ny toeram-pitsaboana ity vehivavy ity sy mpitondra azy no tsy tody tany intsony ka teo anoloan’ny biraon’ny Polisy no teraka. Nifandrimbona nanotrona azy teo ireo Polisy niasa tao an-toerana, nisy no niantso mpitsabo.
✅Teraka zazalahy ilay vehivavy ary taorian’ny nahalatsahan’ilay zaza dia naterin’ny Polisy faran’izay haingana tany amin’ny hopitaly Befelatanana izy mba hahafahana manara-maso sy mandray an-tanana ny fahasalamany miaraka amin’ity zazamenavava ity.

VEHIVAVY IRAY NO TERA-BAO TEO ANOLOAN’NY KAOMISARIA ANALAMAHITSY : NATERIN’NY POLISY TANY AMIN’NY HOPITALY

Vous pourrez aussi aimer