– Ady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika
– Ny Alahady 14 Desambra 2025 tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, taorian’ny fahazoana loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo mahakasika ny fisiana andian-jiolahy mikononkonona hanao fanafihana eny amin’ny manodidina an’Ambatomaro, dia niditra an-tsehatra avy hatrany ireo Polisy avy ao amin’ny Unité Spéciale d’Intervention (USI) na ny « Saka mainty » nanao fitsirihana sy fisafoana teny amin’io faritra io.
– Rehefa tonga teny an-toerana ny Polisy dia nifanehitra tokoa tamina andian-jiolahy. Vantany vao nahatazana ireo Polisy avy lavitra ireo jiolahy dia nandositra avy hatrany no sady nitifitra.
– Niaro tena ny Polisy ka jiolahy miisa efatra no maty nandritra ny fifandonana, fantatra kosa fa nisy jiolahy tafaporitsaka ka mbola karohina. Nahitàna basy poleta vita gasy iray niaraka tamin’ny bala miisa roa ary antsy miisa roa teny amin’ireo jiolahy.
– Tamin’ny alalan’ny fanomezam-baovao haingana avy amin’olona tsara sitrapo no nahafahana nahazo ity vokatra ity koa manentana hatrany ny mpiray Tanindrazana tsy hisalasala hitoroka ireo mpanao ratsy anaty fiarahamonina.
