– Lehilahy iray niditra an-keriny tao amin’ny tokantrano iray tetsy Antsalovana Antohomadinika ny maraim-ben’ny 15 Desambra 2025, nopoiriny ny trano ary lasany ny finday. Taitra ny tompon-trano ka niantso vonjy, ary niantso ny Polisy teo amin ny manodidina, vokany voasambotry Polisy nanao fisafoana teo amin’ny fiangonana Jésosy Mamonjy ilay Jilolahy.
– Lehilahy iray hafa koa mpanao sinto-mahery sy halatra miampy herisetra, efa mpamerin-keloka, no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriboritany faha efatra, teo akaikin’ny EPP Ambodin’isotry. Mpanendaka efa malaza ratsy eny amin’iny faritra iny ity voasambotra ity ka nanaovana velam-pandrika.
– Manaraka izany, lehilahy iray mpangarom-paosy no voasambotry ny Polisimpirenena avy ao CSP 08 Analamahitsy ny marainan’ny 15 Desambra 2025 teo amin’ny toby fiantsonan’ny taxibe Claire Fontaine Ivandry. Ity lehilahy ity dia manararaotra rehefa eo am-pisisihana taxibe iny ireo mpandeha.
– Ankoatra izay, Lehilahy iray 32 taona no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny CUI Tsaralalana ny harivan’ny 16 Desambra 2025 teny amin’ny Petite Vitesse, noho ny halatra baoritra feno fanafody nifatotra tamin’ ny fitoeran’entana nentina moto, nosokiriny ilay entana ka tratra ambodiomby noho izany asa ratsy izany izy.
– Farany, Lehilahy iray hafa koa nikasa hiditra an-tsokosoko hangalatra tao amin’ny tokantrano iray tetsy Andavamamba Ambilanibe no voasambotry ny Polisin’ny PPA Ilanivato. Nahatsikaritra ny fihetsika mampiahiahy nataony teo anoloan’ny vavahady ny tompon-trano ka nampandre Polisy. Tao anatin’ny fisavana natao taminy dia nahitàna fanalahidy maro be teny aminy.
– Efa eo am-pelatanan’ny Polisimpirenena avokoa ireo raharaha rehetra ireo ary mitohy ny fanadihadiana sy famotorana.
– Manentana ny mpiray Tanindrazana hitoroka ireny olon-dratsy ireny ary ny Polisimpirenena ihany koa efa mametraka ny paikady maro hametrahana ny fandriam-pahalemana maharitra. Tsy kely lalana anefa ny ratsy ary amin’izao vanim-potoana akaiky fety izao dia mirongatra ireo mpanao ratsy ka mila mailo hatrany.

 

ADY AMIN’NY TSY FANDRIAM-PAHALEMANA ETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA : MPAMAKY TRANO SY MPANAO SINTO-MAHERY , MPANGALATRA ,ARY MPANGAROM-PAOSY , VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer