Notanterahana ny zoma 23 Janoary 2026 tao Andranomanelatra, Distrikan’Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra, ny lanonana fitokanana sy fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Kaomisarian’ny Filaminambahoaka Andranomanelatra. Ity fotodrafitr’asa vaovao ity dia natsangana ho fanamafisana ny politikam-panjakana momba ny fametrahana ho laharam-pahamehana ny fandriam-pahalemana ; ary fanatanterahana ny “Polisimpirenena manakaiky vahoaka” raha ho an’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka manokana.
👮♂️ Nitarika ny lanonana ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL Wouli Soumah Idrissa, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Minisitera sy ny Polisimpirenena.
🎖️ Tonga nanome voninahitra izany ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teto Antsirabe II, Andriamatoa RANDRIANANTENAINA Olivier Anthony José sy Andriamatoa RANDRIAMANAMPISOA Alfred, ny Prefen’Antsirabe Andriamatoa RAHARISON Tsiriaina Miarana, ny Lehiben’ny Faritra mpisolo toerana, ny Ben’ny Tanànan’Antsirabe II, ary ireo manam-boninahitra sivily sy miaramila ao amin’ny faritra Vakinankaratra.
🕊️ Notsindrian’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka manokana ny ezaka sy ny andraikitra miandry ny Polisimpirenena, mba hiantohana ny filaminana sy ny fandriam-pahalemana maharitra, izay antony nananganana ny fotodrafitrasa vaovao tahaka izao. Nisaotra ny fitondram-panjakàna ny tenany noho ny nahafahana nanao izao dingana lehibe izao.

