– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
– Ny Alatsinainy 19 Janoary 2025 no voasambotry ny Polisimpirenena ny lehilahy iray 20 taona mpanao herisetra sy mpitarika andian-jatovo amin’izany, tao Andavakotoko Nosy Be Hell-Ville, taorian’ny fikarohana natao nandritra ny fotoana maro.
– Efa notadiavina hatramin’ny volana Novambra 2025 ity lehilahy ity. Nisy tamin’ireo namany no efa voasambotra tany am-piandohan’ny volana desambra 2025, noho ny fitarainan’ny mponina tany an-toerana.
– Rehefa vita ny famotorana savaranon’ando nataon’ny Polisimpirenena dia natolotra ny Fampanoavana izy ny 21 Janoary 2026 ka nampidirina am-ponja vonjimaika.