– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
– Ny alin’ny 23 Janoary 2026 dia nisy halatra moto scooters roa tao anaty garazy iray ao Ambohimiandrisoa Antsirabe.
– Vokatry ny fandraisana andraikitra haingana nataon’ny Polisimpirenena, tratra teny amin’ny JIRAMA Andranomadio niaraka tamin’ilay moto halatra ireo jiolahy. Ny moto faharoa kosa dia saron’ny UIR teo Ampihaviana tokony ho tamin’ny 11 ora alina.
– Nentina eo anivon’ny Kaomisaria Foibe Antsirabe izy ireo hanokafana fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny fampanoavana.
ANTSIRABE : VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA IREO JIOLAHY NANGALATRA MOTO MIISA ROA .
