-Mivoatra hatrany ny fomba fanaon’ireo olon-dratsy amin’ny halatra sy fanendahana ataony. Raha ny hita tao Mahajanga dia miray tsikombakomba amina mpitondra bajaj ireo mpanendaka. Mody mandray bajaj tahaka ny mpandeha rehetra ilay mpanendaka ka rehefa azony izay entana angalariny, toy ny poketra sy finday dia mandositra ilay olon-dratsy ary manamora izany fandosirany izany ilay mpamily bajaj.
-Tamin’ity volana janoary ity fotsiny dia efa miisa roa ny fitarainana voarain’ny kaomisaria foibe ao Mahajanga momba ity tranga ity, dia ny 18 Janoary sy ny 23 Janoary 2026 ; ankoatra ireo izay misy mitantara eny amin’ny tambazotran-tserasera.
-Taorian’ny fikarohana sy fanarahan-dia nataon’ny Polisimpirenena dia voasambotra ny lehilahy telo izay tompon’antoka amin’izany ka natolotra ny fampanoavana ny 27 Janoary 2026 ary nidoboka am-ponja vonjimaika.
