– Manoloana ny savorovoro niseho teo amin’ny zotra 194, izay nitarika fanohintohinana ny fifamoivoizana teny Ampasampito ny marainan’ny 03 Febroary 2026, dia nanatanteraka fihaonana sy fifanakalozan-kevitra ny Polisimpirenena niaraka tamin’ireo filohana koperativa mpitatitra eto an-drenivohitra sy ireo ivelan’Antananarivo.
– Notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Polisimpirenena, ny Contrôleur Général de Police TSARAMONINA Ravony Jean Victor izany fihaonana izany, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminambahoaka Analamanga, notarihin’ny talem-paritra, ny Commissaire Principal de Police RAFALIMANANA Alain Adonis.
– Nampiantsoana manokana ireo filohan’ny koperativa zotra 194, zotra E ary ny koperativa MIRINDRA.
– Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fametrahana ny fifampitokisana eo amin’ny Polisimpirenena sy ireo zotram-pitaterana ny fihaonana. Nifanarahana fa ilaina ny fifampiresahana mialoha amin’ireo tomponandraikitra misahana ny fifamoivoizana raha misy fihetsika heverina ho mihoa-pefy ataon’ny Polisy eny an-dalana, ka voaporofo izany.
– Nambaran’ny Polisimpirenena fa hanohy hatrany ny fampiharana fomba fiasa matihanina, manaja ny lalàna ary manaja ny zon’ny rehetra ny Polisimpirenena miasa eny an-dalambe.
– Nentanina ihany koa ny rehetra mba samy ho tompon’andraikitra amin’ny fisorohana ny kolikoly, izay isan’ny fototry ny olana eo amin’ny sehatry ny fitateram-bahoaka.
– Nohamafisina fa tsy maintsy manaja tanteraka ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana ireo mpamily fitateram-bahoaka, mba hisorohana ny sazy sy hampirindra ny fifamoivoizana.
– Hamafisina ny fandaminana manokana eny amin’ireo faritra tena ahitàna fitohanana tafahoatra, mba ho tombotsoan’ny be sy ny maro.







