-Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
-Tao anatin’ny hetsika « Opération MAHOMBY » dia lehilahy miisa telo no voasambotry ny Polisy misahana ny heloka ara-toekarena sy ny ady amin’ny zava-mahadomelina avy ao Mahajanga ny 29 janoary 2026 tao amin’ny fokontany Aranta noho ny resaka fivarotana rongony.
-Rehefa nidina tany an-toerana ny Polisy dia tratehaka teo ampivarotana rongony ireto Telo lahy ireto. Mbola tratra tamin’izy ireo ny harona misy rongony 80 fatotra izay milanja 20,25kg.
-Taorian’ny fanaovana fanadihadiana izy ireo dia natolotra ny Fampanoavana ny 4 Febroary 2025 ka notanana am-ponja vonjimaika.