Ady amin’ny herisetra atao amin’ny zaza tsy ampy taona

📍Lehilahy iray no voasambotry ny Polisim-pirenena ao amin’ny Kaomisarian’i Maevatanana ny marainan’ny 10 Febroary 2026, noho ny fanolanana zazavavy kely vao 6 taona monja.

♦️Ny alin’ny 09 Febroary 2026 no nitrangan’ny fanolanana tao amin’ny fokontany Ambalaranokely. Taorian’izany dia nandositra izy, saingy noho ny fakarohana sy ny fandraisana andraikitra haingana nataon’ny Polisy, dia voasambotra tsy lavitra ity lehilahy ity.

🎯Nandritra ny fanadihadiana natao taminy dia niaiky ny heloka vitany izy. Mbola namboraka ihany ko izy fa nisy zazavavy iray 14 taona efa niharan’ny fanolanana nataony.

✅Mitohy ny famotorana ary hatolotra ny Fampanoavana ny raharaha vantany vao vita ny fanadihadiana.

MAEVATANANA: LEHILAHY IRAY NANOLANA ZAZAVAVY TSY AMPY TAONA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer