🔫 Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
🚨 Vokatry ny hetsika nataon’ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria Foibe Mahajanga nandritra ny faran’ny herinandro dia olona enina no voasambotra noho ny halatra.
👮♂️ Ny tranga voalohany, ny 13 Aprily 2026 tamin’ny 10 ora alina, lehilahy iray no voaendaka narahina herisetra tao Antanimalandy, ka very vola sy finday ary naratra mafy. Taorian’ny fikarohana dia voasambotra ny telo tamin’ireo nahavanon-doza.
🏠 Ny tranga faharoa,ny 18 Aprily 2026 tamin’ny 05 ora maraina, nisy vaky trano tao Ambondrona ka lasan’ireo jiolahy ny “groupe électrogène”, ary vola. Voasambotra kosa ny roa tamin’ireo mpanao ratsy ireo rehafa nanao ny fikarohana ny Polisy tany an-toerana ary efa tafaverina ilay fitaovana nangalarina.
🛴 Farany, lehilahy iray hafa no tratra ambodiomby nangalatra teny an-dalambe tao Mahabibo.
⛓ Noentina natao fanadihadiana tany biraon’ny Polisimpirenena any an-toerana moa izy ireo alohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny Fampanoavana.
MAHAJANGA, OPÉRATION MAHOMBY OLONA ENINA VOASAMBOTRY NY POLISY NANDRITRA NY FARAN’NY HERINANDRO
