– Fampiharana ny lalàna sy ady amin’ny tsy fanarahan-dalàna
Nanamafy indray ny ezaka ataony amin’ny fitandroana ny filaminambahoaka ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisaria CSP1 Analakely, tamin’ny alalan’ny hetsika manokana notanterahina nanomboka ny 22 Aprily 2026.
-Manao fanamiana sivily ireo Polisy mitily ireo mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy eny Analakely sy manodidina ka lehilahy miisa 6 no voasambotra.
-Fantatra fa ny telo tamin’ireo voasambotra dia efa malaza ratsy amin’ny fanaovana sinto-mahery eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina. Anisan’izany ny roa izay efa mpamerin-keloka.
-Etsy ankilany, olona telo hafa kosa no tratra niloka an-dalambe ka manakorontana ny manodidina amin’ny tabataba sy mampitangorona olona, fihetsika izay voararan’ny lalàna. Efa nisy fanentanana natao azy telolahy ireto sy ny namany hafa tany aloha ka izao mbola mamerina izao indray.
-Nentina natao famotorana eny anivon’ny Kaomisaria CSP1 Analakely ireo voasambotra, ary hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famaranana ny fanadihadiana.
– Manoloana izany, mampatsiahy hatrany ny Polisimpirenena fa mitohy tsy an-kiato ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fandikan-dalàna, ho fiarovana ny vahoaka sy ny fananana ary ny fitoniana.
– Ny filaminana dia andraikitry ny rehetra.
