– Ady amin’ny halatra isan-karazany.
– Manoloana ireo fitarainana maro voarain’ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisaria foibe Antsimondrano mikasika tambazotran-jiolahy mitety tokantrano mangalatra kaonteran-jiron’ny JIRAMA, dia nanao fikarohana sy fanadihadiana lalina ny Polisy mba hamantarana sy hisamborana ireo tompon’antoka.
– Mbola nisy tokantrano iray eny Ambohimanatrika Tanjombato, izay lasibatr’izany halatra izany ny 17 Aprily 2026. Nisy olona niditra an-tsokosoko tao an-trano ka nangalatra ny kaontera.
– Vokatry ny fanadihadiana dia voasambotra avy hatrany ny olona iray monina eny an-toerana, izay niaiky ny heloka vitany ary nanondro ny namany roa lahy niaraka taminy. Rehefa nitohy ny fanandihadiana dia fantatra ihany koa ny mpandray sy mpivarotra ny entana halatra. Nosamborina ny iray tamin’ireo mpiray tsikombakomba ny Alatsinainy 20 Aprily 2026 teny Ankarabato. Ity farany dia voalaza fa mpivarotra sy mpametaka kaontera halatra sady mitonona ho mpiasan’ny JIRAMA. Nahitana kaontera iray tao an-tranony nandritra ny fisamborana azy.
– Nohamafisina ny fikarohana niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra avy amin’ny JIRAMA, ka mbola misy olona hafa mpandray entana halatra teny Ambatoroka. Vokatry ny vela-pandrika natao dia voasambotra ny vehivavy roa isan’ny mpandray ireo entana halatra, ny 20 sy 22 Aprily 2026. Ankoatra izany, lehilahy roa hafa no voasaringotra tamin’ity raharaha ity ihany koa ka notanan’ny Polisy nanaovana fanadihadiana.
– Mitohy hatrany ny fanadihadiana momba ity raharaha ity ary mbola karohina ireo olona hafa mety ho voakasika satria hita fa tambazotra matanjaka izy ireo no manao izany.
– Ny Polisimpirenena dia tsy mikely soroka mikaroka ireo jiolahy sy olon-dratsy tsy mampilamina ny filaminam-bahoaka. Manentana ny rehetra kosa tsy hisalasala hitoroka sy hametraka fitoriana eny amin’ny Polisy.

 

ANTANANARIVO ATSIMONDRANO – TANJOMBATO : LEHILAHY 06 SY VEHIVAVY 02 VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY HALATRA SY FIVAROTANA “COMPTEUR JIRO MORA” ARY FISANDOHANA HO MPIASAN’NY JIRAMA.

Vous pourrez aussi aimer