Ady amin’ny fipariahana sy fidoroahana zava-mahadomelina
➡️Vokatry ny fampitam-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahafantaran’ny Polisy avy ao amin’ny CSP 1 Analakely fa misy lehilahy iray mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy izay mivezivezy matetika eny Ambondrona izy io. Lasibatra matetika amin’ny afitsok’ity jiolahy ity ireo mpiantsena eny amin’ny faritra Ambondrona sy Tsiazotafo iny. Mandositra anatin’ireo elakelan-trano amin’iny faritra iny ity jiolahy ity isaky ny mahavita ny asa ratsy ataony, misolo akanjo ary miverina indray. Nametraka paikady hahafahana misambotra azy ny Polisy ka tratra teo Ambondrona izy ny atoandron’ny 27 May 2025.
➡️Rehefa nosavaina ity jiolahy ity dia nahatratrarana fonosana zava-mahadomelina « rôrô » sy ny fitaovana enti-midoroka izany ihany koa tany aminy. Nentina tany amin’ny biraon’ny Polisy avy hatrany izy hanokafana fanadihadiana sy atao andri-maso.
➡️Lehilahy roa hafa ihany koa, ka tsy ampy taona ny iray, no tratran’ny Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Isotry teny amin’ny tetezan’ny Bekiraro ny faha 27 may 2025 atoandro. Vao nifanena tamin’ireo Polisy manao fisafoana ireto roalahy ireto dia nandositra ka nifanenjehana. Rehefa tratra ka nosavaina dia nahatratrarana fonosana rôrô miisa 7 izay nafenina tao anaty vola 200 Ar tany amin’izy ireo.

LEHILAHY TELO TRATRAN’NY POLISIMPIRENENA NITAZONA SY NIDOROKA « RORO », TENY AMBONDRONA SY TENY AMIN’NY TETEZAN’I BEKIRARO. MPANAO SINTO-MAHERY SADY MPANGAROM-PAOSY NY IRAY AMIN’IZY TELO LAHY IRETO