Ady amin’ny heloka anabaka sy fisolokiana
✅Manao ranty mampiseho fiara lazaina fa amidy amin’ny vidiny tena mirary ireto mpisoloky ao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook ireto ka maro ireo roboka noho izany. Asainy mandefa vola mba ho atao vidin-tsolika hitondràna ny fiara any amin’ny toerana hijerena izany ireo olona liana amin’ilay fiara, na koa asainy mandefa vola hatao vodiondrim-barotra kanjo vonoiny ilay laharana finday nampiasainy ary « bloqué »-ny tsy hahita ilay anarana anaty facebook intsony ilay olona mandefa vola rehefa azony ilay vodiondrim-barotra na ilay vidin-tsolika.
➡️Efa naharaisana fitarainana maro ity karazana fomba fisolokiana ity ka nanokafan’ny Polisin’ny SUT Tsaralalàna fanadihadiana. Nandritra ny volana maro no efa nikarohana azy ireo noho ireto olon-dratsy ireto mampiasa laharana finday maro ary vonoiny izay laharana nahazoany vola.
➡️Ny Sabotsy 7 jona 2025 teo no vosambotry ny Polisy teny Sabotsy Namehana ireto roalahy ireto ka tanana atao fanadihadiana sy atao andri-maso mialohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny fampanoavana.

 

FISOLOKIANA AMIN’NY ALALAN’NY VAROTRA FIARA MORA VIDY, TRATRAN’NY POLISIMPIRENENA IREO TOMPON’ANTOKA

Vous pourrez aussi aimer