✅Nosokafana androany Talata 10 jona 2025 tamin’ny fomba ofisialy ny kermesy lehibe fampiratiana ireo tantaran’ny Hery Fiarovana sy Filaminana ao amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina, hetsika tafiditra anatin’ny fankalazana ny faha 65 taona nijoroan’ny foloalindahy malagasy sy ny niverenan’ny Fahaleovantenam-pirenena.
➡️ Tonga nanokatra izany ny Minisitra telo mirahalahy izay ao anatin’ny Hery Fiarovana sy Filaminana dia ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin ; ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ary ny Minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriantsarafara Andriamitovy. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Filohan’ny Antenimieran-doholona. Teo ihany koa ireo mpikambana maromaro anatin’ny gouvernemanta.
➡️Miavaka ny fampisehoana ireo fitaovana entina manantanteraka ny iraka sy andraikitr’ireo Hery Fiarovana sy Filaminana. Amin’ny alalan’ireo hetsika mampiala voly samihafa, indrindra ny ahafahana mampiseho ny asan’ny Hery Fiarovana sy Filaminana dia fotoana manokana hifaneraserana sy hanantonana ny vahoaka izao.
Hita ihany koa fa mahaliana ireo tanora mpianatra ny fampirantiana eny amin’ireo sekoly mampiofana ireo Hery Fiarovana sy Filaminana.
➡️Ny eo anivon’ny Polisimpirenena dia misy ny trano heva mampahafantatra ny Brigade Féminine de Proximité, ny Akany Fitaizana zaza kambotin’ny Polisimpirenena, Ny FIVAPOVA, ny Sekoly miisa roan’ny Polisim-pirenena dia ny ENIAP sy ny ENSP. Misy « Stand de Tir » ihany koa ny eo anivon’ny Polisimpirenena.
Manomboka androany 10 jona ka hatramin’ny 19 Jona 2025 ity Kermesy ity.