Ady amin’ny asan-jiolahy
✅Ny 07 jolay 2025 maraina, jiolahy 02 no maty nandritra ny fifampitifirana tamin’ny Polisin’ny Unité d’Intervention Rapide ao Toliara, teny amin’ny lalana mankany amin’ny Oniversiten’i Maninday. Tonga hisambotra ireto olon-dratsy ireto ny Polisy rehefa nahazo loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo kanjo tifitra avy hatrany no nataon’izy ireo tamin’ny Polisy.
➡️Ireo jiolahy ireo no tompon’antoka tamin’ny fanafihana tranom-barotra iray tao Bazar Bé Toliara ny 05 Jolay lasa teo. Nitondra basy izy ireo tamin’izany araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny lasibatra.
➡️Mbola mitohy ny fikarohana ireo jiolahy hafa tompon’antoka tamin’io asa ratsy io.
JIOLAHY 02 MPANAO FANAFIHANA MITAM-PIADIANA LAVON’NY BALAN’NY POLISIN’NY UIR TAO TOLIARA