Ny 14 Jolay 2025, olona iray no tonga nanao fitarainana teny amin’ny Kaomisarian’ny Polisy tao Miarinarivo fa nisy zazavavy kely 13 taona, izay notezainy, tsy hita niaraka tamina vola 6 tapitrisa Ariary tao an-tranony.
➡️Ny 17 Jolay 2025, hita tao Imerintsiatosika ilay zazavavy ary nosamborin’ny Polisy. Nandritra ny famotorana dia nanambara izy fa nisy lehilahy roa hafa mpiray tsikombakomba aminy nanao ny halatra. Voasambotra ny andron’io ihany koa ireo lehilahy ireo teny Anosibe Antananarivo, nahitana finday dimy teny amin’izy ireo izay nolazainy fa novidiana tamin’ilay vola nangalarina.
➡️Taorian’ny fanadihadiana savaranonandro dia natolotra ny Fampanoavana ny zoma teo izy telo tonta ary naiditra am-ponja vonjimaika.