Notanterahina androany 30 Jolay 2025 ny lanonam-panonkafana ny zaikabe andiany faha efatry ny FIVAPOVA izay natao tao Toamasina. Nitarika izany ny Filoham-boninahitry ny FIVAPOVA, Ramatoa Faniry RAKOTOARIMANANA, vadin’ny Minisitry ny Filaminambahoaka.
▶️Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ; Ny filoham-boninahitry ny FIVAMI, Ramatoa SAHIVELO Marie Josephine izay vadin’ny Minisitry ny Foloalin-dahy, ny filoham-boninahitry ny FIVAZA, Ramatoa RAKOTONDRAZAKA Seheno Vadin’ny Minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenena. Teo ihany koa ireo parlemantera sy ireo tompon’andraikitra isan-tokony avy amin’ny faritra Atsinanana sy avy ao Toamasina dia ny prefen’ny faritra Atsinanana, ny Governora, ny ben’ny tanàn’i Toamasina ary ireo manam-pahefàna sivily sy miaramila izay tonga maro.
▶️Nisaotra an-dRamatoa Mialy RAJOELINA Vadin’ny Filoham-pirenena izay nandray ambany fiahiany ity hetsika ity ny Filoham-boninahitry ny FIVAPOVA, ramatoa Faniry RAKOTOARIMANANA nandritra ny fandraisam-pitenenany ; nisaotra ihany koa an-dRamatoa Léa NTSAY, Vadin’ny Praiminisitra Christian NTSAY izay isan’ny nanampy ka nahafahana manatontosa ity zaikabe ity izy.
▶️Taorian’ny fanokafana ofisialy tamin’ny alalan’ny diabe namakivaky ny tanàna dia misy ihany koa ny tranoheva azo tsidihina any an-toerana izay manao tolotra fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ny zaza amam-behivavy, fa indrindra ny tolotra momba ny fandrindram-piterahana. Eo ihany koa ny tranoheva hafa izay mampiseho ny vokatra mampiavaka ny isam-paritra satria ny fikambanana FIVAPOVA manerana ny Nosy no tonga manotrona ity fotoana ity.
▶️Ny tolakandro dia notohizana tamin’ny fifaninanana vakodrazana izay nandraisan’ireo solon-tena rehetra anjara ny fotoana. Teo ihany koa ny antsam-piderana izay natrehin’ireo mpizaika rehetra. Maharitra dimy andro ity zaikabe Nasionaly andiany faha 4 tanterahin’ny FIVAPOVA ao Toamasina ity.

NIAVAKA NY FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY ZAIKABE ANDIANY FAHA 4 ATAON’NY FIVAPOVA AO TOAMASINA ANDROANY ; HITA TARATRA NY TENY AINA ENTINA MIATRIKA ITY ZAIKABE 2025 ITY DIA NY HOE : « VIAVY MIRAY HINA ARÔ, IRAY VINA E »

Vous pourrez aussi aimer