Polisimpirenena manakaiky ny vahoaka
✅Tonga nitsidika ny toerana hananganana Kaomisaria ho an’ny Distrikan’i Mahajanga II tao amin’ny kaominina Belobaka ny Alatsinainy 25 Aogositra 2025 ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala.
✅Nanotrona azy tamin’izany ny lehiben’ny Distrikan’i Mahajanga II, ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Belobaka, ny solon-tenan’ny Solombavambahoaka, ireo lehibem-pokontany, ny raimandreny ara-drazana any an-toerana ary ny Solon-tenan’ny Vahoaka.
✅Natolotry Ben’ny tanàna tamin’Andriamatoa Minisitry ny Filaminambahoaka tamin’ny fomba ofisialy ny taratasy mirakitra ny fanapahana noraisin’ny filan-kevitra Kaominaly ka manome ny tany ho an’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka ary ahafahana manangana Kaomisaria eo amin’izany tany izany.
✅Tafiditra tanteraka anatin’ny Politikan’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka amin’ny fametrahana ny Polisy manakaiky vahoaka ny fananganana foto-drafitrasa eny anivon’ny vahoaka tahaka izao sy fanapariahana ny Polisimpirenena manerana ny Distrika eto Madagasikara. Tsy latsa-danja amin’izany ny fanomezana tolotra fandriam-pahalemana ho an’ny mpiray Tanindrazana, izay Politika ankapoben’ny Fanjakàna rahateo no laharam-pahamehan’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA.

HISITRAKA KAOMISARIA NY DISTRIKAN’I MAHAJANGA II, FARITRA BOENY

Vous pourrez aussi aimer