Ady amin’ny fanolanana sy herisetra mianjady amin’ny ankizy
– Ny 25 Aogositra 2025 tokony ho tamin’ny 11 ora alina, lehilahy iray mpitondra bajaj no tra-tehaky ny Polisin’ny UIR miasa ao Boeny rehefa nikasa ny hanolana ankizivavikely 08 taona tao anaty fiarany.
– Nanjavona tao Tsararano io alina io ilay zaza raha ny fitantaran’ny reniny nanao fitarainana tao amin’ny biraon’ny Polisy.
– Natao ny fikarohana sy ny fanarahan-dia ary hita tao anaty bajaj efa samy tsy misy akanjo ilay zaza sy ilay lehilahy lehibe.
– Nosamborina avy hatrany ilay tompon’antoka tamin’ity asa ratsy ity ary natolotra ny Sampan-draharahan’ny Polisimpirenena miady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny zaza ary ny olona marefo, mba ho fanohizana ny fanadihadiana.