Ady amin’ny fidorohana sy fipariahan’ny zava-mahadomelina
– Nahazo vaovao ny Polisy fa misy olona mitondra rongony ao anaty valizy 4 hiaraka amin’ny fiara taxi-brousse iray ho any Antananarivo, niainga tao Ihosy.
– Rehefa nosavaina teo am-piaingàna ilay fiara dia tratra tokoa ireo valizy miisa 4 izay nanafenana ireo rongony.
– Tsy hita kosa ireo mpandeha roa rehefa nanamarina ny mpandeha izay tokony hiaraka amin’ilay taxi-brousse ny Polisimpirenena.
– Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Polisy ao Ihosy hitadiavana izay tompon’antoka amin’izao trafikana rongony izao.

 

RONGONY NAFENINA TANATINA VALIZY MIISA EFATRA, SARON’NY POLISIMPIRENENA TAO ANATY FIARA MPITATITRA TAO IHOSY HIHAZO AN’ANTANANARIVO

Vous pourrez aussi aimer