Ady amin’ny halatra moto
-Naharay fitarainana ny Polisimpirenena avy ao amin’ny Kaomisaria Mananara Avaratra fa nisy moto iray Honda 125 miloko Mena very ny alin’ny 15 septambra 2025 teo anoloanan’ny trano fisakafoanana iray tao amin’ny fokontany Antanakoro.
-Nandeha ny fanadihadiana nataon’ny Polisy ka nisy olona nahiahiana ho tompon’antoka tamin’izao raharaha izao araka ny angom-baovao, rehefa natao ny paik’ady rehetra dia niroso tamin’ny fisamborana ity tovolahy nahiahiana ity ny Polisy ka nandritra ny fisamborana azy sy ny fisavàna ny tranony no nahitana Ilay moto izay very.
-Efa tafaverina tamin’ny tompony ny moto rehefa vita fanamarinana, ary ho atolotra ny fampanoavana kosa Ilay olon-dratsy aorian’ny fanadihadiana.
MANANARA AVARATRA : LEHILAHY MPANGALATRA MOTO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA