– Nandritra ny fisafoana nataon’ny CRFIP Anjozorobe sy ny brigade Anti-Pillage teny Anosy Avaratra, ny alin’ny 02 Oktobra 2025 dia lehilahy roa no voasambotra rehefa nitsoaka vao nahita ireo mpitandro ny filaminana.
– Nanao akanjo an’ny mpitandro filaminana izy ireo, nefa tsy manana karatra manamarina izany.
– Tamin’ny fisavana ny tranony dia mbola nahitana fanamiana mpitandro ny filaminana tao amin’izy ireo.
– Natolotra ny Brigade Criminelle Anosy izy ireo ary mitohy ny fanadihadiana savaranonando mialohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny fitsaràna.

 

LEHILAHY ROA NISANDOKA HO MPITANDRO FILAMINANA, SARONA TAO ANATIN’NY HETSIKA ANTI-PILLAGE

Vous pourrez aussi aimer