– Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka.
– Tsy mitsahatra manome tanana ny fiarahamonina ny Polisimpirenena amin’ny fijerena akaiky ny lafiny fanatsarana ny fandriampahalemana eny amin’ ireo fokontany tsirairay avy eto Antananarivo Renivohitra.
– Araka izany dia nanolotra fitaovana ho azy ireo ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
– Miisa 46 ireo fokontany nisitraka izany ary samy nahazo: Akanjo famantarana manokana, « Siflet », « Lampe torche »
– Notontosaina tao amin’ny foiben’ny fibaikonan’ny Polisimpirenena etsy Anosy ny Alakamisy 02 Oktobra 2025 ny fanolorana ireo fitaovana ireo.
– Notarihin’ny Tale Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOZANANY Dany Marius, notronin’ny Mpandrindra ny fanadihadiana anatiny eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RAKOTOMALALA Andriamarolahy Fanomezantsoa, niaraka tamin’ ireo lehiben’ny fokontany tsirairay tonga nanatrika teny an-toerana.
– Ireo fitaovana ireo dia entin’ny Vaomieran’ny fandriampahalemana sy ny andrimasom-pokonolona hanatanterahana ny andraikiny, indrindra ihany koa amin’ ny fisafoana amin’ ny alina hiarahana amin’ny Polisimpirenena hisorohana ny fandrobàna.

NANOLOTRA FAMPITAOVANA HO AN’IREO ANDRIMASOM-POKON’OLONA ENY AMIN’IREO FOKONTANY TSIRAIRAY ETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA NY MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA, HISOROHANA NY FANDROBANA.

Vous pourrez aussi aimer