– Ady amin’ny hosoka
– Lehilahy iray 37 taona no nosamborin’ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Poste de Police Analavory ny 07 Oktobra 2025 taorian’ny nahatrarana azy tamin’ny fampiasana vola sandoka mitentina 1 700 000 Ariary.
– Nandritra ny fifampiraharahana amin’ny fividianana omby teny an-toerana no nampiasan’ity lehilahy ity ilay vola sandoka. Tsikaritry ny tompon’ny entana fa tsy tena vola no nomena azy, ka avy hatrany dia nampandre ny Polisimpirenena ny tenany.
– Nidina teny an-toerana haingana ny mpitandro filaminana, ka tratra ilay lehilahy ary nosamborina avy hatrany.
– Taorian’izay dia noentina tao amin’ny Commissariat de Police Miarinarivo ilay voarohirohy, ho fanohizana ny fanadihadiana.
– Tsikaritra tato ho ato fa maro ireo olon-dratsy mikasa ny hamitaka amin’ny fampiasàna vola sandoka ka mila fahamailoana ho an’ny rehetra izany.

 

ANALAVORY-MIARINARIVO : LEHILAHY IRAY NAMITAKA TAMIN’NY VOLA SANDOKA NOSAMBORIN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer