– Ny alin’ny 12 hifoha 13 Oktobra 2025, nanaram-maso ireo toerana samihafa hanaovan’ny Polisimpirenena fanamafisana ny fisafoana eto an-drenivohitra ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Polisimpirenena notarihan’ny Commissaire Central an’Antananarivo, ny Commissaire Principal de Police RAZAFINDAHY Manitra Fleurys.
– Akorondrano Andranomahery, Akazomanga Atsimo, Ankadimbahoaka, Ampefiloha Cité, Tanjombato Andohavato ary Anosibe ; ireo no anisan’ny toerana notsidihina sy nanaovana tafa tamin’ny Vaomieran’ny Fandriampahalemana.
– Araka izany, mampiseho hatrany sy manome toky ny mpiray Tanindrazana ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Polisimpirenena fa eo anilany hatrany amin’ny alalan’ny hetsika tahaka izao.
– Nanomboka ny 25 Septambra 2025 no mankaty maro ireo fikasan-dratsy handroba no voasakan’ny Polisimpirenena.
– Miara-miasa tanteraka amin’ny VFP (Vaomieran’ny Fandriampahalemana) sy ny Andrimasom-pokonolona ihany koa izany hetsika izany, izay manara-maso sy miandraikitra ny filaminana ao anaty tanàna, miaraka amin’ireo vakim-paritra ao aminy.
– Nisy koa ny toro-marika nomena amin’ny fanatanterahana ny andraikitra, sy ny fanamafisana fa azo antsoina ihany koa ny laharana maika 020 22 281 70 raha misy tranga tsy mampilamina miseho.
– Polisimpirenena Miaro sy Manampy ny Vahoaka.

MANDRAKOTRA NY TANÀNAN’ANTANANARIVO NY FISAFOANA SY FANARAHA-MASO HO FISOROHANA NY FANDROBANA SY FAMETRAHANA FANDRIAM-PAHALEMANA ATAON’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer