– Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
– Tontosa ny marainan’ny 31 Oktobra 2025 tao amin’ny Vanilla’s Pub, Fokontany Mananara-Centre, ny fihaonana nokarakarain’ny Fitaleavam-paritry ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Firaisankina Analanjirofo, ho fanamafisana indray ny asa iraisan’ireo « Réseau de Protection de l’Enfance » (RPE) na ireo tambazotra sy vovonana miaro ny ankizy ao amin’ny distrikan’i Mananara-Avaratra.
– Tanjon’izao fihaonana izao ny tombana mba hahafahana manatsara hatrany ny fiarovana ny ankizy fa indrindra ny fandrindràna ny asa amin’ny alalan’ny fampiasana ireo rafitra sy lalàna efa misy.
– Nandray anjara tamin’ny dinika ireo sampandraharaham-panjakàna ao an-toerana sy ny manampahefana izay notarihan’ny Lehiben’ny Distrika, niaraka tamin’ny Mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Maroantsetra.
– Mandray anjara mavitrika amin’ny dinika tahaka izao ny Polisimpirenena satria asa iandraiketana isan’andro izany no sady anatin’ny iraka ampanaovina azy ihany koa, dia ny fiarovana ny ankizy.
