✅ Ady amin’ny fanolanana
– Voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisaria Mahamasina ny 05 novambra 2025 maraina ny lehilahy iray, 20 taona, tratran’ny fokonolona ambodiomby nikasa hanolana zaza vavy 6 taona teny Anosibe, akaikin’ny pharmacie Volahanta.
– Voasoroka noho ny fandraisana andraikitra haingana nataon’ny Polisimpirenena ny fitsaram-bahoaka nihatra tamin’ity lehilahy ity.
– Nentina nihazo ny hopitaly ilay zazakely lasibatry ny asa fanolanana mba hahazo fitsaboana sy hanaovana fizahàna ara-pahasalamana.
– Ilay lehilahy kosa dia natolotra ny Sampandraharaha miady amin’ny Heloka Mamoafady sy miaro ny Zaza tsy ampy taona ary ny Olona marefo (SCPMPM) Anosy, mba hanohizana ny fanadihadiana.