✅ Ady amin’ny fanondranana sy ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina mahery vaika.
– Teratany vahiny miisa roa avy any Letonia no tratran’ny Polisy misahana ny sisintany (PAF) teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, nitondra zava-mahadomelina mahery vaika, ny 01 Novambra 2025.
– Taorian’ny fahatratrarana ireto vahiny roalahy ireto dia niara-nisalahy akaiky tamin’ny fanadihadiana nahafantarana ny tena fikasan-dratsin’izy ireo ny sampandraharahan’ny fanadihadiana manokana momba ny famarinan’olombelona sy miady amin’ny hosoka (SCESLF) sy ny sampandraharaha miady amin’ny fiparitahana sy fidorohana zava-mahadomelina na ny « Stup » (SCLASSP).
– Rehefa nandalo fotoana fohy dia fohy teto Madagasikara dia nikasa hiverina any Paris ary handalo ao amin’ny Nosy La Réunion ireto mpanao trafikana zava-mahadomelina mahery vaika ireto.
– Rehefa nosavaina ny entana tamin’ny fahatratrarana azy ireo dia nahitàna zava-mahadomelina milanja 5,012 kg amin’ny karazany cannabis sy 1,227 kg amin’ny karazany méthaqualone.
– Voaporofo sy voamarina ireo zava-mahadomelina mahery vaika ireo taorian’ny fanamarinana nataon’ny Stup.
– Nandritra ny fanadihadiana natao taminy no nahafantarana fa mbola misy teratany vahiny roa hafa mpiray tsikombakomba ao anatin’ity tambajotra iraisam-pirenena manao fanondranana zava-mahadomelina mahery vaika ity.
– Taorian’ny fiakaran’izy ireo fampanoavana ny 05 Novambra 2025 dia nidoboka eny Tsiafahy ireto tera-tany vahiny mpanao trafikana rongony ireto.
