👮♂️ Polisimpirenena mandrindra ny fifamoivoizana
🚗 Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena hanalefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo Renivohitra, indrindra amin’ireo kihon-dalana lehibe mivoaka sy miditra an’Antananarivo. Nojerena manokana nanomboka androany 12 Novambra 2025 ny teny amin’ny faritra Analamahitsy iny.
👮♀️ Nampitomboina ny isan’ny Polisy miantsehatra eny an-kianja, ahitana ny avy ao amin’ny Kaomisaria Foibe Avaradrano, ny Kaomisaria Boriboritany faha-08 Analamahitsy, ary ny avy amin’ny Polisy misahana ny fifamoivoizana (Compagnie Urbaine de la Circulation – CUC).
↔️ Nohamafisina ny fampiharana ny « doublage » avy any Analamahitsy, arakaraka ny zava-misy eny an-kianja, manomboka eo amin’ny Galana Analamahitsy mankany amin’ny Rond-point Andranobevava, ary eo amin’ny Shell Ambohitrarahaba mankany amin’ny SMMEC Ambohitrarahaba raha ho any an-drenivohitra.
📍 Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny fizotry ny fandaminana vaovao ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka eto Analamanga, ny Commissaire Divisionnaire de Police ANDRIANALISON Haminiaina Solofotiana.
🛣️ Jeren’ny Polisimpirenena manokana avokoa ireo lalana fidirana eto Antananarivo renivohitra dia ny eny Anosizato, Ampasika, Ankadimbahoaka, Ampasampito, ary ny eo Sabotsy Namehana sy Analamahitsy.

