🛡️ Ady amin’ny fakàna an-keriny
Avotra soamantsara teo am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny ilay mpandraharaha tompona orinasa nisy naka an-keriny tao Antsirabe, vokatry ny hetsika manokana niarahan’ireo mpitandro ny filaminana tamin’ny alalan’ny fanadihadiana nataon’ny « Cellule mixte d’enquête » niarahan’ny Polisimpirenena sy ny Zandarimariampirenena tao Antsirabe ny alin’ny 13 Novambra 2025. Raha tsiahivina dia ny harivan’ny Alarobia 12 Novambra 2025 no nisy naka an-keriny io mpandraharaha io.
🔎 Nisy avy hatrany ny fikaroham-baovao sy fanadiadihana natao raha vao nahare ity tranga ity na dia tsy nametraka fitoriana sy tsy nampilaza momba izany aza ireo havan’ilay mpandraharaha noho ny fandrahonan’ireo jiolahy.
🏠 Villa iray teny Vatofotsy no nitazonan’ireo mpaka an-keriny an’ilay mpandraharaha ka rehefa tonga teny an-toerana ireo mpitandro ny filaminana avy amin’ny Kaomisaria Foibe Antsirabe sy ny CRFIP dia nitifitra avy hatrany ireo jiolahy.
⚠️ Tao anaty fifampitifirana no lavon’ny balan’ny mpitandro ny filaminana ny roa, azo sambo-belona ny roa ary nisy telo hafa tafatsoaka tamin’ny fiara.
🚔 Raikitra indray ny fifanenjehana sy fifampitifirana teny an-dalana saingy tsy lasa lavitra ireto mpaka an-keriny fa teny Andohanakoho amin’ny lalam-pirenena faha 7 mivoaka an’Antsirabe mianatsimo, no voafehin’ny mpitandro filaminana ny toe-draharaha. Maty nandritra ny fifampitifirana ireo jiolahy telo tafatsoaka.Basy vita gasy miisa 2 sy basy poleta beretta 7,65 iray no hita teny amin’izy ireo.
👮♀️ Ankoatra izay dia mbola nisy vehivavy iray sy lehilahy iray, mpiasa tao amin’io mpandraharaha io voasambotra ihany koa teny Mahazina.
🤝 Niara nisalahy nahazoana izao vokatra izao ny sampan-draharaha misahana ny fanenjehana fandikan-dalàna ao amin’ny DRSP Vakinankaratra, ny CRFIP Vakinankaratra, ny Commissariat Central Atsirabe, Polisimpirenena nanatevin-daharana avy any Antananarivo ary ny Zandary avy ao Antsirabe.
🔍 Mitohy hatrany ny fanadihadiana ataon’ny Polisimpirenena mahakasika ity raharaha ity.
KIDNAPPING TAO ANTSIRABE : AVOTRA ILAY MPANDRAHARAHA, JIOLAHY DIMY LAVON’NY BALAN’NY MPITANDRO NY FILAMINANA, 4 AZO SAMBO-BELONA
