⚠️ Ady amin’ny fanaparitahana vola sandoka.
🚔 Lehilahy roa 30 taona sy 40 taona nanaparitaka vola sandoka no nosamborin’ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Boriboritany faharoa ao Bazary kely Toamasina ny harivan’ny 02 Desambra 2025.
💵 Vola sandoka 20 000 Ariary no entin’izy ireo mamitaka mpivarotra ary rehefa nosamborina izy ireto ka nosavaina ny trano fonenan’izy ireo dia mbola nahitàna vola sandoka mitentina 2 400 000 Ariary.
📍 Tany Manakara indray, lehilahy iray 59 taona ihany koa no nosamborin’ny Polisy avy ao amin’ny SRPJ Fitovinagny ny 02 Desambra 2025 tolakandro.
🏨 Voasambotra tao amin’ny trano fandraisam-bahiny Tanambao, Manakara izy, miaraka amin’ny kitapo nisy vola sandoka 20 000 Ar izay mitentina 12 840 000 Ariary.
TOAMASINA – MANAKARA : MPANAPARITAKA SY MPAMPIASA VOLA SANDOKA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA
