– Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
– Mandritra ny fetin’ny Noely dia miantoka ny filaminana sy ny fiarovana ny vahoaka ny Polisimpirenena ka nametraka paikady manokana ny Polisy mba hahafahan’ny mpiray Tanindrazana mifety am-pilaminana.
– Araka izany, nampitombo ny isan’ny Polisy miantsehatra eny an-kianja, indrindra amin’ireo Eglizy sy toerana maha be olona.
– Nasiana ihany koa ny fandrindrana manokana ny fifamoivoizana, hahafahan’ny olona mivezivezy sy mody am-pilaminana amin’ny alina.
– Afaka manantona ireo Polisy miasa eny amin’ny faritra misy azy avy hatrany ny olom-pirenena tsirairay raha misy tranga tsy fandriampahalemana na mampiahiahy miseho.
– Filaminana, fahadiovana ary fandriam-pahalemana ho an’ny vahoaka, izay no fanamby hapetraky ny Polisimpirenena.
FITANDROANA NY FILAMINANA MANDRITRA NY SASAKALIN’NY NOELY: MANAO NY AINY TSY HO ZAVATRA NY POLISIMPIRENENA AHAFAHAN’NY VAHOAKA MIFETY AM-PILAMINANA