– Asa fampanarahan-dalàna.
– Ny 26 Desambra 2025 maraina no nisy andian-jatovo maromaro (foroche) nanao an-kolafy ho andaniny roa ary niady an-dalambe sy nifanao herisetra teo anoloan’ny ny toeram-pivarotana « Maximum Plus » Antsiranana.
– Nirotsaka an-tsehatra nandamina izany ireo Polisy nanao fisafoana teny amin’iny faritra iny saingy ireto Polisy indray no niharan’ny herisetra nataon’ny ankolafiny iray tamin’ireo andian-jatovo mahery fihetsika ireo.
– Tonga ara-potoana nandamina ny toe-draharaha ny Polisy hafa izay nanatevin-daharana mba tsy hampitatra ity tranga ity ka nosamborina ny 4 tamin’ireto andian-jatovo mahery fihetsika sy manao herisetra ireto.
– 19 taona ka hatramin’ny 22 taona ireto voasambotra ireto ary nanokafana fanadihadiana noho izao raharaha izao.

 

TOVOLAHY MIISA EFATRA NOSAMBORIN’NY POLISY MIASA AO ANTSIRANANA NOHO NY RESAKA FANAKORONTANANA FILAMINAM-BAHOAKA SY FANDRATRANA POLISY TEO AM-PERINASA.

Vous pourrez aussi aimer