– Ny 26 desambra 2025, tokony ho tamin’ny 03 ora maraina, nitrangàna vaky trano tao amin’ny fokontany Amboniavaratra, Kaominina Ambovombe Centre, Distrikan’i Manandriana.
– Nampandre Polisy avy hantrany ny tompon-trano ka nidina teny an-toerana izy ireo nanao ny fanarahan-dia ireo jiolahy. Nandritra ny fifanenjehana no naratra vokatry ny tifitra nahavoa azy ny iray tamin’ireo jiolahy.
– Efa noetina eny amin’ny hôpitaly tao an-toerana ity jiolahy naratra ity ary efa manaraka fitsaboana ary hatao famotorana aorian’ny fitsaboana.
– Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany tafaporitsaka.

 

MANANDRIANA, FARITRA AMORON’I MANIA : JIOLAHY MPAMAKY TRANO IKOIZANA VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer