– Tontosa ny Alatsinainy 12 Janoary 2026, tao amin’ny Biraon’ny Fitaleavana misahana ny fanaraha-maso ny fifindrà-monina (Direction des Contrôles des Migrations) Anosy ny famindram-pitantanana teo amin’ny Tale teo aloha sy ny Tale vao nandray ny asany, ny Commissaire Divisionnaire de Police SAMY HARISON Olivier, izay nisolo toerana ny Contrôleur Général de Police ANDRIANIRINARIVELO Jean Yves Rémi.
– Tonga nanome voninahitra ny fotoana Ramatoa Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette. Nisaotra ny Tale nahavita ny andraikiny izy ary nankahery sy nitsodrano ny Tale vao nandray ny asany.
– Nilaza kosa ny Commissaire Divisionnaire de Police SAMY HARISON Olivier fa hanao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fanatanterahana ny asa sy ny andraikitra sahaniny.


