– Tontosa ny Talata faha 20 Janoary 2026, tao amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy (ENSP) Ivato, ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny Tale teo aloha sy ny Tale vaovao hitantana ny sekoly.
– Araka izany, ny Commissaire Divisionnaire de Police BEN HOUSSEN Evariste no nandray tamin’ny fomba ofisialy ny fitantanana ny ENSP Ivato, nisolo toerana ny Commissaire Divisionnaire de Police RATSIMBA Andrianina Brice.
– Nanome voninahitra ity fotoana manan-danja ity Ramatoa Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, niaraka tamin’ireo tompon’andraikitra ambony eto anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka.
– Nandritra ny lahateniny dia nisaotra manokana ny Tale teo aloha noho ireo asa sy zava-bita maro nentiny ho fampandrosoana ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy izy.
– Nilaza kosa ny tale vaovao nandray ny asany fa ny sekoly dia natao hamokatra Polisimpirenena matihanina sy mendrika hiasa ho an’ny mpiray Tanindrazana sy ny Firenena, nanamafy ny fanoloran-tenany sy ny an’ireo mpiara-miasa aminy amin’ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny fanofanana sy ny vokatra azo avy amin’ny sekoly izy.

MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA, SEKOLIM-PIRENENA AMBONY HO AN’NY POLISY (ENSP) IVATO : TONTOSA NY FIFAMINDRAM-PITANTANANA TEO AMIN’NY TALE TEO ALOHA SY NY TALE VAO NANDRAY NY ASANY.

Vous pourrez aussi aimer