📅 Notanterahana ny Zoma 23 Janoary 2026 maraina, tetsy amin’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy (ENSP) Mamory Ivato, ny famaranana amin’ny fomba ofisialy ny fiofanana momba ny firotsahana an-tsehatra sy ny fitantanana tranga “tuerie de masse”, izay narahin’ireo Polisy sy Zandary. Fotoana nanehoan’ireo mpiofana ny fahaiza-manao sy ny fahavononany amin’ny fiatrehana tranga sarotra izany, ary nentina nanolorana ny taratasy manamarika ny fahavitàn’ny fiofanana.
👥 Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Tale misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana Mitohy ( DRFC ), ny Commissaire Divisionnaire de Police OSTROM Whenss, ary ny Talen’ny Sekolim-pirenena Ambony ho an’ny Polisy (ENSP), ny Commissaire Divisionnaire de Police BEN HOUSSEN Evariste, niaraka tamin’ireo mpampiofana frantsay avy amin’ny RAID, notarihin’ny Commandant Divisionnaire Frédérick LARTIGAU.
🌍 Fampiofanana araka ny fenitra iraisam-pirenena ity nositrahan’ireo mpandray anjara ity ka tanjona ny hampitombo hatrany ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ireo mpitandro ny filaminana amin’ny fiatrehana tranga mampidi-doza sy tsy fandriam-pahalemana, toy ny fakana an-keriny sy fanafihana, ary indrindra ny firotsahana an-tsehatra sy ny fitantanana tranga “tuerie de masse”, ho fanamafisana ny fiarovana ny vahoaka sy ireo andri-mpanjakàna.

