🚨Nitrangana halatra fiara Starex iray teny Ambohimanga ny zoma 12 Jona 2026 lasa teo. Vehivavy telo no mody nanofa ilay fiara niainga teny Tanjombato, saingy rehefa tonga tany an-toerana dia nasian’izy ireo fanafody mampatory ny sakafon’ilay mpamily.
🎯 Rehefa tsy nahatsiaro tena ity farany, dia nisy mpamily hafa nantsoin’izy ireo hitondra ny fiara hiverina, ary natsipiny teny akaikin’ny tetezana Namontana ilay mpamily sady nendahiny avokoa ny zavatra teny aminy.
🔎 Vokatry ny fahaiza-manao sy ny paikady manokana nampiasain’ny Sampandraharaha miady amin’ny heloka bevava (BC) Anosy dia voasambotra tsikelikely ireto olon-dratsy ireto fa tsy nisy afa-bela.
⚖️ Ho Atolotra ny Fampanoavana ny raharaha rehefa vita ny fanadihadiana ataon’ny Polisimpirenena.

HALATRA FIARA : TAMBAZOTRAM-JIOLAHY RAVAN’NY POLISIMPIRENENA, VEHIVAVY TELO SY LEHILAHY IRAY NO VOASAMBOTRA

Vous pourrez aussi aimer