-Ady amin’ny famarinana olombelona sy ny fanaovana hosoka
-Vehivavy iray mpisoloky, milaza fa mahavita mandefa mpiasa any Canada, no voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny SCESLFD (Service central des Enquêtes Spécialisées et de la Lutte Contre les Fraudes) Anosy. Vola 3.000.000 Ariary ka hatramin’ny 5.000.000 Ariary no alain’ity mpisoloky ity amin’ireo olona lasibatra, lazaina fa hikarakarana antontan-taratasy. Tsy nisy vokatra na valiny anefa izany taty aoriana. Olona sivy (09) no nametraka fitoriana mikasika ity raharaha ity.
-Lehilahy iray sy vehivavy iray hafa ihany koa no voasambotra noho ny resaka fisolokiana olona amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera. Milaza izy ireo fa mahavita mandefa olona hiasa anaty sambo mpitondra mpizahan-tany na “bateau de croisière” any Maldives. Vola 500.000 Ariary ka hatramin’ny 2.000.000 Ariary no alain’izy ireo amin’ireo olona voafitaka. Olona fito ambin’ny folo (17) no lasibatra tamin’izany ary nametraka fitoriana teny amin’ny SCESLFD tetsy Anosy.
-Lehilahy iray teratany vahiny, Pakistanais, kosa no tratra noho izy manaparitaka dokambarotra hosoka amin’ny tambajotran-tserasera, milaza fa mahavita pasipaoro Indonezianina sy Malagasy ho an’ny teratany hafa. 6.000 dolara amerikana (6.000 $) no lazainy ho saram-pikarakarana izany. Nahatratrarana kopia taratasy hosoka sy kara-panondrom-pirenena Malagasy hosoka tao aminy.

TERATANY VAHINY IRAY SY MALAGASY TELO (03) MPISOLOKY HO MPANDEFA OLONA HIASA ANY IVELANY SY MILAZA HO MAHAVITA PASIPAORO MALAGASY NO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer