-Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
-Ny alin’ny 26 hifoha 27 Janoary 2026 dia nisy halatra moto roa nitranga tao amin’ny fokontany « samy bômba » Fenoarivo Atsinanana. Nisy nampandre ny Polisimpirenena mahakasika io tranga io ka nisy avy hatrany ny fikarohana natao.
-Tamin’ny telo ora maraina no nisy fiara sprinter fourgon iray tratran’ny Polisimpirenena teo amin’ny sakana hivoaka ny tanàna, raha hihazo an’i Toamasina, nitondra moto miisa roa izay tsy misy taratasy manamarina ny maha tompony an’ireo nitondra izany.
-Nanokatra fanadihadiana ny Polisimpirenena ka fantatra ny nandray anjara mivantana tamin’ilay halatra sy ireo mpiray tsikombakomba. Olona miisa 5 no voasambotra tamin’ity raharaha ity ary mbola nahitàna moto iray tsy misy taratasy tany amin’ny sasany tamin’izy ireo.
-Ho atolotra ny fampanoavana ny raharaha rehefa vita ny famotorana ataon’ny Polisimpirenena.

 

FÉNÉRIVE-EST : TAMBAZOTRA MPANGALATRA MOTO RAVAN’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer