– Ady amin’ny fipariahan’ny zava-mahadomelina.
– Ny Talata 04 febroary 2026, nandritra ny fidinana nataon’ireo Polisy avy ao amin’ny FIP Alaotra Mangoro dia vehivavy iray mpivarotra rongony ao amin’ny fokontany Tsarahonenana, Kaominina Ambonivohitra Moramanga no tratra tao amin’ny trano fonenany miaraka amin’ny fonosana rongony miisa 120 sy rongony mbola tsy vita fonosana milanja 800 grama. Loharom-baovao avy amin’olona tsara sitrapo no nahitana izao vokatra izao.
– Ny 4 febroary 2026 ihany, lehilahy iray sy vehivavy iray hafa koa no voasambotry ny Polisy miasa ao amin’ny Kaomisaria Vohibato, faritra Matsiatra Ambony, nandritra ny hetsika MAHOMBY noho ny fitazonana sy fivarotana rongony. Fonosana rongony miisa 25 izay efa vonona ho amidy no tratra teny amin’izy ireo nandritra ny fisavàna. Fantatra nandritra ny fanadihadiana fa saika ho amidin’izy ireo ao Masoabe ireo rongony ireo ka izao tra-tehaky ny Polisy izao.
– Nahatratra lehilahy miisa roa mpamboly sy mpivarotra rongony ihany koa ny Polisy miasa ao Ambalavao, faritra Matsiatra Ambony ny 5 febroary 2026. Rehefa naharay ny loharanom-baovao marim-pototra amin’ny fisiana olona mamboly sy mivarotra rongony ao amin’ny fokontany Ankofika ny Polisy dia nidina avy hatrany teny an-toerana nanamarina izany. Fototra rongony miisa 39 no hita naniry tao an-tranon’izy ireo nandritra ny fisavana.
– Efa voatazona eny amin’ny biraon’ny Polisy avokoa ireo olona voasambotra ireo natao famotorana. Aorian’ny fanadihadiana savaranonando dia hatolotra ny Fampanoavana avokoa izy ireo.

 

MPIVAROTRA SY MPAMBOLY RONGONY MIISA DIMY VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAO MORAMANGA, VOHIBATO FIANARANTSOA ARY AMBALAVAO , TAFIDITRA ANATIN’NY HETSIKA MAHOMBY.

Vous pourrez aussi aimer