🚌Ny 11 Febroary 2026 alina no niainga ireo Polisimpirenena avy ao amin’ny Force d’Intervention de la Police (FIP) Antanimora, hanao iraka manokana ho fanamafisana ny firotsahana an-tsehatra amin’ny vonjy voina any Toamasina.
👮♂️Polisy voatendry hamita iraka izay hanamafy ny fandriampahalemana sy hanohana ireo mpitandro filaminana any an-toerana ary handray andraikitra haingana amin’ny tranga rehetra mety ilàna izany, indrindra ireo toe-draharaha maika mifandraika amin’ny fanampiana sy fiarovana ireo traboina izy ireto.
✅Ity hetsika ity dia porofon’ny fahavononan’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Polisimpirenena hatrany, hiaro sy hanampy ny vahoaka amin’ny fotoan-tsarotra ary hamerina haingana ny filaminana sy ny fandriampahalemana ao Toamasina.
NANATEVIN-DAHARANA NY VONJY VOINA ANY TOAMASINA IREO POLISIN’NY HERY VONJY TAITRA (FIP) AVY AO ANTANANARIVO, HANAMPY SY HIARO IREO TRABOINA VOKATRY NY FANDALOVAN’NY CYCLONE GEZANI