👉Ady amin’ny fanaovana hosoka.
🎯Voasambotry ny Polisimpirenena miasa ao amin’ny Kaomisaria Mananjary ny lehilahy iray 30 taona ny 10 febroary 2026. Vokatry ny angom-baovao voarain ‘ny Polisy no nahafahana nanamarina fa manaparitaka vola sandoka tany an-toerana ity lehilahy ity.
♦️Natao ny velam-pandrika ka tra-tehaka saika hampiasa ireo vola sandoka tamin’ny tranom-barotra iray ilay lehilahy. Rehefa nosavaina ny kitapo teny aminy dia nahitana vola sandoka mitentina 3.200.000 Ar.
🏛️Noentina avy hatrany teny anivon’ny kaomisaria izy ary natolotra ny Fampanoavana ny Alarobia 11 febroary 2026 ary nampidirina am-ponja vonjimaika .

MANAJARY : NAMPIDIRINA AM-PONJA ILAY LEHILAHY IRAY NAHATRATRARANA VOLA SANDOKA MITENTINA 3.200.000AR

Vous pourrez aussi aimer