– Ady amin’ny halatra isan-karazany.
– Lehilahy miisa efatra no voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Fitaleavamparitry ny Filaminambahoaka Analamanga noho ny fangalarana fitaovana tao amin’ny mpampiasa azy.
– Naharay firotiana ny Polisy tamin’ny fiandohan’ny volana Febroary fa nisy mpiasa nangalatra tao amina orinasa iray eny Soanierana. Natao avy hatrany ny fanadihadiana sy fikarohana notarihin’ny sampandraharaham-paritra misahana ny heloka ara-toekarena Analamanga.
– Tratra tany amin’ireo lehilahy miisa efatra izay mpiasa tao amin’ilay orinasa ny « bobines de cuivre » miisa telo, milanja 620 kilao izay nangalarin’izy ireo.
– Rehefa natolotra ny fampanoavana ny raharaha ny 16 Febroary 2026 dia nidoboka am-ponja avokoa izy 4 ireto.

 

SOANIERANA : LEHILAHY MIISA EFATRA NO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA REHEFA NANGALATRA VY MILANJA 620 KILAO TAO AMIN’NY TOERAM-PIASANY.

Vous pourrez aussi aimer